150 taona FJKM Fenoarivo : 1863 - 2013
Ny komity faha-150 taona ny Fiangonana FJKM Fenoarivo dia faly manokatra ho antsika ity tranonkala ity. Eto no natao hifampitana vaovao sy ireo zava-misy rehetra momba ny fanitarana ny Fiangonana.
Dimampolo amby zato taona
(150) amin'ny
2013 ny fiangonana satria niorina tamin'ny taona
1863. Ka noho izany indrindra no nanaovana izao fanavaozana sady fanitarana ny trano fiangonana izao, ho vato fehizoron'izany 150 taona izany.
Ho hitantsika eto ireo ezaka efa natao, ireo zava-misy ankehitriny ary ny ezaka mbola ho tratrarina aoriana.
Hita eto ihany koa ireo sary mirakitra manokana ny ezaka efa natao, sy ireo fandaharam-potoana tsara ho fantatra mandritra ity taona ity.